Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Joany toko 8, 1-11
Ilay vehivavy azo nijangajanga - Jesoa milaza ny tenany ho fahazavan'izao tontolo izao - Ho faty amin'ny fahotany ny Farisiana - Izay tena zanak'i Abrahama - Izay tena zanak'Andriamanitra - Jesoa milaza ny tenany ho Zanak'Andriamanitra.
1Jesoa kosa nankany an-tendrombohitra Oliva, 2fa nony marainakoa vao niverina tany an-tempoly izy, ka nanatona azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo izy.
3Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin'ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana, ka narosony teo afovoany. 4Dia hoy izy tamin'i Jesoa: Ry Mpampianatra, azo nijangajanga ity vehivavy ity. 5Ary Moizy ao amin'ny Lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny olona toy izany, fa hianao kosa mba ahoana, hoy hianao? 6Izy no nanao izany dia ny hakany fanahy azy, mba hisy hiampangany azy. Fa Jesoa kosa niondrika dia nanoratra tamin'ny rantsan-tànany teo amin'ny tany. 7Ry zareo amin'izany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany azy ihany, ka nitraka izy dia nanao taminy hoe: Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany. 8Dia niondrika indray izy ka nanoratra teo amin'ny tany. 9Fa ry zareo kosa nony nandre izany, dia nihatakataka tsirairay, ny zokinjokiny no loha làlana, ka Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo afovoany. 10Izay vao nitraka Jesoa, ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, aiza ry zareo niampanga anao teo? Moa tsy nisy nanameloka anao va? 11Tsy nisy, Tompoko, hoy izy. Izaho koa tsy hanameloka anao, hoy Jesoa. Mandehana, ka aza manota intsony. >